IZAHO MBOLA HITIA! (ANDRINIAINA1)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO MBOLA HITIA!Izaho mbola hitia indray!
refa misy hitako fa milay.
Fa raha zay lasa nanenenana;
dia tsy hasiko fiverenana.
Izaho mbola hitia foana!
raha mbola misy koa ny fotoana.
Fa raha zay andro lasa tsy nanjary;
Dia tsy hataoko hankarary.
Izaho mbola hitia hatrany!
Raha mbola tany koa ny tany.
Fa raha zay fahiny tsy namokatra;
Tsy avelako hanampy trotraka.
Izaho mbola hitia mandrakizay!
Ho an'zay mendrika an'zay.
Fa raha 'zay taloha tsy namely;
Tsy hataoko hahakivy ahy velively.
Izaho mbola hitia!
Satria mahasambatra ny mitia.
Fa nenin'izay nania;
Manimba ny fitia.
Tsy ny vola na ny harena;
na koa ny voninahitra sesehena!
no mahasambatra:
Fa ny "FITIAVANA" mampitambatra.
Rehefa hay ny miaina am-pitiavana ny zavatra rehetra;
amin'ny andro tsy misy fetra!
De ao amin-tsika ny fahasambarana!
ary koa ny fiadanana.
Fa izaho aloha tsy hitia intsony;
izay manome sorisory;
Mila lonilony; tsy mba mahay mitony;
Mila romiromy; manao lohan-drongony.
Fa avy hatrany de ajanony!
Ka lalan-kafa no izory
ANDRINIAINA1
atolotra an'ny mpankafy!
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana