LASA (ANDRY KANTO MENDRIKA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa izany letsy ialahy dia,handao ny akama tsy mahafohy.
Ekeko hoe mamy letsy ny miaina,fa ny fiainana mitohy.
Dia handao ny akama ialahy,fa tsy afaka ho ferana.
Mafy ny fiainana toy ny lolo iray miserana

Veloma letsy namako an! veloma vetivety
Tadidio izao,ny fiainana kodiarana sarety.
Indraindray izy ambony,indraindray koa ambany
Anio izy mifaly,fa rahampitso hitomàny

Matetika ny olona,zatra manambany
Tadidio foana izao ny fiainana mitohy
Dia aza rarahina,izany manaratsy izany
Fa mbola eto foana ny akama tsy mahafohy.

Dia aza rarahina letsy ny fosafosa ataony
Tsy mahagaga izany,fa zavatra fanaony.
Miezaha ialahy mitsiky amin'ny fiainana rehetra
Tadidio izao,ny tany hoa mahery setra

Matetika ny olona zatra manambany
Tsy mazava fo,any anatiny any
Tadidio letsy an! ny fiainana mitohy
Mbola eto foana ,ny akama tsy mahafohy

Andry kanto Mendrika
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
18 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRY KANTO MENDRIKA
Nampiditra : AKMKT
Daty : 19/11/2024 15:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146