NY FITIAVAKO ANAO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavako anao,
fitia kanto sy madio,
tsy nasiako tambiny;
tsy mba toy ny kilalao,
mandalo toa tadio,
tsy mba kiambinambiny.

Ny fitiavako anao,
niroso moramora,
tsy nampoiziko;
hay tsara kalitao,
tsy nahafotsy rora,
ka tena nankafiziko.

Ny fitiavako anao,
lasa nikambanantsika,
ka tena niorim-paka;
izay rehetra natao,
dia niarahantsika,
sy niarahana nizaka.

Raha ny fiarahantsika,
tsy vitan-jerijery,
na lasa seho ivelany;
ka ny endrika sy bika,
no nibahana nanery,
nampivelatra ny felany.

Ny fifankatiavantsika,
niroso tena matotra,
nanorenan-tokantrano;
ny teny mamy nobinitsika,
nahatonga nifamatotra,
tsara noho ny angano.

Ny tokantrano niorina,
ity narahin-jazavavy,
sy nisinton-jazalahy,
ka tena mafy orina,
nijoroan'ny mpianakavy,
tsy amin'ny ahiahy.

Nihamaro ny taranaka,
nriaria, nifankatia,
nifampitsinjo foana;
raha injay ka tafaraka,
niezaka hahatehotia,
nahatratra izay fotoana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Jolay 2019
--------
Rohy:
1545 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:05)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
s19andry5851 ( 19/03/2024 06:01)
Ankasitrahana ny nihantsa, samy ho tahian'ny Tompo hatrany !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156