Efa lahatra ve? (Arisons)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa lahatra ve?.-Resy ihany aho farany.
-Miaiky fa vizana ihany.
-Ilay ambom-poko natao hoe mafy.
-Folaka teny foana noho ny mpigafy.
*Kivy ihany ilay saiko nahery.
*Toravana ihany ilay vatako nikiry.
*Satria tsisy nampitraka ka very.
*Tanaty fijaliana namirifiry.
-Ka tsy haiko intsony.
-Fa rakotr'aiziny tany ambany atrin'ny ambony.
-Noho ny etraketraky ny sasany.
-Hampamelona anatiko hatrany ny hitomany.
*Eny, aleoko sisa maminavina.
*Ny mbola ho avy anaty mangina.
*Hoe efa lahatra ve ahy ny anjara.
*Hijaly sy hitanondrika foana tsy anan-kambara,
Arison, 18-01-2026.
--------
Lien:
