Tsy ho ahy...! (Arisons)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho ahy...!-Eny, raha andeha ianao.
-Hifindra lasy vaovao.
-Hinitsana tsy hamoa intsony.
-Anamaina ireo laingo ambony.
*Dia andao fa tsy maninona.
*Mandehana! f'izy moa mba ho inona!.
*Raha mihoatra aminao.
*Izay tsotra sy ambany, sady ratsy tsisy atao.
-Ka ho tsofan-drano ianao.
-Fa ny fity(ia) anie tsy kilalao.
-Ka tsy atao vazivazy.
-Na koa hoe fanalan'azy.
*Fa raha ianao no tsy ho azy.
*Dia tsy ataony ho sazy.
*Fa ny vitantsika aleo ho tantara.
*Satria toa fitia voarara.
-Dia veloma amin'ny mampamangy any.
-Fa ny lalantsika hisampana.
-Fa raha mbola tany koa ny tany.
-Dia aza adino fa:"Ny valim-piadinana anie ka fiankarana".
Arison, 11-03-2024
--------
Rohy:
