Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy nampoiziko. (Arisons)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampoiziko.-Naratra loatra ny foko.
-Noho ianao ihany.
-Nizaka tsy zaka ka nanjoko.
-Taminao ka nigoka
tomany.
*Tsy nampoiziko diso fanantenana aho.
*Nitia anao loatra aho tamin'ny fo manontolo.
*Tsy mba nisaina akory hoe tsy tsara anie ny miankin-doha.
*Tamin'ny fitiavana nomenao iny satria mora lefy toy ny afo mololo.
-Tena diso fanantenana aho.
-Natoky be ny fitiavanao loatra izay mifono fitaka.
-Sa izay ve izay ilay atao hoe jamba tokoa izaho?.
-Tsy nahita fa rehefa tafiditra taminao vao nijabaka.
*Tsy anenenako na dia marary azany anefa.
*Ny foko diso tianao fa ataoko ny ahy hoe fitia diso fiantefa.
*Izay mba niriako ho lafatra sy nikasako fifaliana.
*Kinanjo nefa "Tsy Nampoizina/ko" ny vokan taty aoriana fa lasa jary fahoriana.
Arison, 20-01-2026....✍️
--------
Lien:
Catégorie :
Fahadisom-panantenana - Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Alahelo - Aingam-panahy - Fitiavana
