HITAKO IHANY (DADAFARAtolotra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahita mitatao vovona, t'anaty andro sasak'alina Nahita lamba tsara zaitra, tena mbola tsara volona
Nahita kitana mamiratra tao ambadiky ny rahona
Sy nahita fahamamiana, t'anaty nofotry ny vahona
Topy maso indray mijery, segôndra kely monja ihany
Dia efa ampy naniriny, ka nahahenika ny tany
Tsy mba hoe nasiana dinika, na heritreritra sy visa
Fa vao nifampijery monja, dia mbÿ nahita paradisa
Hitako ihany ilay kitapo, fonenan-kolo dimbi-mbary
Efa tsinjo koa ny havoana, toerana hangalana sary
Dia ilay vohitry ny lafatra, tsiky no mandrakotr'azy
Hatao safidy famaranana, koloina atao anaty vazy
Izay olon-tiako izay !
--------
Lien:
