FATORY AKI NY FOKO A (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa sasatra nitrotro nofy sy fanantenana;
Efa tsy manaiky intsony akany antanim-paharavana,
Efa higadra sy hitoetra anaty fonjam-pahasambarana;
Efa hadana sy sokafana ho anao ny varavarana,
Ka fatory aki ny foko a.

Aza avela hanisa hahatsiaro ireo tomany;
Tohofy voninkazo, dia fahano teny mamy
Ampandrobony tsara toa tsikafona am-parihy,
Ary ampahafantaro Azy fa ny anaranao: "Fitia."
Dia fatory aki ny foko a.

Ka rehefa indray mifoha amin'ny vao mangiran-dratsy,
Dia ataovinao mihevitra ny anio sy izay ho vatsy.
Ary afaka hintontosa iretsy vina izay dradraina,
Fa monja tokana isika hatrany am-parapofonaina.
Ka fatory aki ny foko a
--------
Rohy:
10 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 06/07/2026 11:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116