FITIA TSY METY LANY (DADAFARAtolotra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra ho an'iza izato tanako androanyMiraraka ho an'iza ihany koa ireo tomany
Nofy mantsy isika anaty bokim-piankohonana
Nofy ihany koa ny hoe tafaraka tokonana
Dia ho aiza 'zany isika!
Inona no azo taterahana hiraisana
Samy babo isika, ka mbÿ mahita faisana
Ho vitam-pangalarana fotoana tsy voatohitra
Ilay hanototra loasaha,hiova tendrom-bohitra
Tsy vitantsika izany!
Mieritreritra aho,moa manaiky ianao angamba
Nahoana isika roa raha toa ka manamboatra lamba
Hirakofan-tsika raha sendra andro mamanala
Izay hiombonan-tsika atao solofodimbinala
Solon-tsika ety an-tany !
Izy no hanoratra tantara tsy voapenina
Izy no hanitatra ireo lamba tsy voatenona
Izy no hanamarika rehefa any amparany any
Fa nisy isika roa ilay ''FITIA TSY METY LANY''
Ka naharitra doria!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotraNampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 19/12/2024 11:39