LAFATRA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sori-dalana farany hizorana
Hazavana mamiratra indrindra
Lamba farany atao fisalorana
Havoana ka tsy afaka hifindra
Ka hiainana mandrakizay !

Tsiho-drivotra avy amin'ny mpahary
Izay manampy ny foko hidoboka
Mpampigoka fitia lavorary
Andry hiakinana tsy mety boboka
Ka hiainana mandrakizay !

Ao am-pony hamboarana fonja
Higadran'ny fitiavana marina
Mba ho lakana mazaka onja
Ka ho tody amin'ny vina tratrarina
ka hiainana mandrakizay !

Fonja maniry hasambarana
Ilay mamiratra tsy hitan-doto
Volamena no atao varavarana
Izay ho lapa fonenan'ny foko
Ka hiainana mandrakizay !
--------
Rohy:
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 09/06/2026 10:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117