VAO HANOMBOKA (DADAFARAtolotra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mba saika hoe hamelana dia nanintsana sahady,
Vao hanomboka hitombana dia, efa tapaka ny angady.
Ora angamba no nisaina, minitra vitsy tsy hay fatarina,
Tsy tatoazy akory kay fa, soratra amin'ny vaingan'arina,
Ka vetivety dia nanjavona!

Mby vao haka fanovozana, ritra anefa ilay farihy,
Vao hanomboka handrary dia, efa rovitra ny tsihy.
Ireo landy no tenonina, saika havadika fitafy,
Lasa modaka avokoa, tsy mba nisy iray 'zay mafy,
Ka zary henatra no havelany!

Naka ambioka tao an-tsopitra, fa tonga ny andro famafazana,
Nilendodendoka faniry, ka gaga mihitsy ireo mpitazana.
Norarafan'ny fanala mangiran-dratsy kely foana,
Nihitsan-dravina avokoa, toy ny paiso lohataona,
Ka alahelo indray no teraka!
--------
Rohy:
24 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : DADAFARAtolotra
Nampiditra : DADAFARAtolotra
Daty : 13/08/2026 08:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113