Ny tanimbarikeliko (DadaRabe)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tanimbarikeliko,
Lova tamin-drazako,
Tany izay noheveriko
Ho lovan'ny taranako.

Ny tanimbarikeliko,
Hany mba fananako
Sy nandaniako ny heriko,
Sakafo kely hohaniko.

Ny tanimbarikeliko,
Mba asa fivelomako,
Mahantra anie ny tenako
Ka io no mba iononako.

Dia hototofanao,
Dia hogiazanao,
Dia hoe amidinao,
Hataonao kilalao

Voavetavetanao,
Voatevatevanao,
Voahitsakitsakao,
Voalevilevinao,

Satria malemy aho,
Satria mahantra aho,
Satria tsy goavana aho,
Satria madinika aho,

Dia potika ny ho aviko,
Dia very ny fananako,
Dia ratra sisa amiko,
Dia ringana ny taniko...

Dia mitomany aho,
Dia malahelo aho,
Dia mianjera aho,
Dia maty noana aho.

Mirehareha ianao !
Mifalifaly ianao !
Mifetifety ianao !
Mibitaka ianao !

Ry lanitra ao ambony !
Ianao ilay mpampitony,
Vonjeo fa very aho
Vonjeo fa mila anao !

Ny tanimbarikeliko
Dia hototofany hono,
Ny tanimbarikeliko
Alainy tsy hisy intsony !

Vonjeo aho Ray o !

DadaRabe
Ambato
10/10/19

Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
Ohabolana 23:11
Nalaina tao amin'ny Facebook-n'i Dadarabe
https://www.facebook.com/photo.php?fbid=2774890779190608&set=a.792945927385113
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
913 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0651