Mety mbola hisy ve? (dadatsima)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety mbola hisy ve,
ny MARAINA hoan'i dago?
F' efa alina mitohy,
no manarona ty tany,

maro ireo no efa maty
tsy nahataty
ny adim-piainana efa mafy,
torabato toa nifafy,

ny mpitondra toa variana.
miaina anaty fifaliana,
misotro toaka,sy mandihy,
manan-tsipa ,mankafy,

be ny vola nangalarina,
tsy nisy gadra
ireo tratra,
mbola miandry he indrisy ,
haute cour de justice,
tsy tafajoro fa miandrasa,
andrazaka hitady asa,
dia mitohy eny ihany,
ny fangalarana hatrany
mody miady, mody tezitra,
nefa hita fa milamina,
tsy hisy gadra eo akory,
mandehana aloha matory,

dadatsima 2 juin 2014
--------
Rohy:
1327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : dadatsima
Nampiditra : dadatsima
Daty : 20/06/2014 14:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143