Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny tontolo sy ny fotoana (havotraniaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tontolo sy ny fotoana Mandroso hatrany ny fotoana,
ny ora,ny andro, any taona,....
Ireo zava-boahary mandavataona,
no endriky ny voahary tsy ho foana.
Ny omaly ny anio ny ampitso,
no tantaram-piainantsika.
Ny lohataona sy ny hatsiaka,
no vanim-potoana iainantsika.
Ny tontolo eto an-tany,
no mihasimba hatrany hatrany.
Ny tontolo any ankoatra any,
no hivantanana any aoriana any.
Mpanoratra LALAHARISON Havotra Niaina (02 septambra 2022).
--------
Rohy:
Mpakafy:
havotraniaina
