Manavatsava lalina (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manavatsava lalina iny habakabaka iny,
Ilay heritreritra alahelo izay toa mangirifiry,
Tsapako hatreto fa aina very maina,
Raha ny Hanadino ilay endrikao izay mitamberina ao an-tsaina.

Izay jereko mantsy dia mampatsiahy anao.
Toa misy sarisarin'ny salovan-tavanao,
Izay toerana niarahana, tetsy sy teroa,
Sy ireo zavatra natao ka niarahantsika roa.

Nofinofy sisa ireny rehetra ireny,
Na ianao ilay misarika, na ianao ilay tsy miteny,
Izay rehetra niainanao, ny hatsika sy ny hafanana,
Toy izay nahafaly anao sy ilay ranomasonao tsy tana.

Fa any mantsy ianao, any lavitra any.
Tsy hoitako intsony noho ny elanelan-tany.
Malahelo ihany aho sady mbola tia,
fa tsy ampisokatra intsony ilay fo vaton-dry.
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Embona - Alahelo - Fitiavana
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124