Sentosento harivariva… (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro anio hariva no nahalalako zany atao hoe te-hitomany
Anio ihany ko no nahatsapako izany atao hoe tsy tiana
Fa mafy anie ka mafy fa raha mba tsapanao hoe hatraiza mantsy izany...
Eny e, Tiana moa ianao ka mahasahy mandaha izany faniriana...

Anio aho no hangina, hanomboka hikalo, ilay nilaozan'olon-tiana...
Hanjonitra irery fa lasa ny hazavana sy ilay hany nantenaina...
Nefa ela vao horitra ny disadisan'ity alina mangina...
Ka sentosento sisa no henoko mamoaka izany fofon'aina.

Eny e,... tsy tsapanao mantsy izany hoe .. fo tena tia...
Ka sahinao lavina fa tsy mbola taminao ka hoe sanatria.
Mirary soa anao no azoko atao ka aleoko tsy miteny...
Fa any andro iray hiainanao izany ka hanody anao ireny...
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
210 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013