FOFONA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOFONA!

aooo... aooo... aooo... a!
Tadidin-dry moa,
lay aoo, aoo, aoo...
mari-pamatarana fanaotsika taloha
rehefa hiaona isika roa,
fa tamin'izany isika
tsy nahay nisioka,
ka vao mandre izay, "aoo... aoo", izay
dia samy miolomay
ary atsimon-trano ary,
'lay eo anelanelan'ny vésé(wc) sy lakozia,
fa eo mba takotakona, eo tsisy mpahita,
dia mahavita 'zay mba vita!
Miakatrakatra ny fofona,
f'isika, ho'a, tsy kofona,
maika maka fy,
amin'ny kilalaom-pitia
ka lasa manitra ery.

Omaly aho izao,
nahatsiaro anao,
nalahelo be,
dia namonjy gaboné,
nakanaka fofona, dia 'lay fofona fitia
ahatsiarovako an-dry...

Hj Ravs
--------
Rohy:
Sokajy : vazivazy - Fitiavana
1135 1
Mpakafy: andry 1000
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/04/2015 06:27)
henjana koa zany le aza a!! tokony nitondra ranomanitra nareo an! na masque....sady manao tarzan zany am le hoe aoooooaoouuuh
hjravs ( 21/04/2015 06:35)
ny fofona fitia, tsy ilaina tapohana fa manitra foana, e! rehefa tia koa tsy mila masque 'zany fa milay foana!
fenohasimpitia ( 21/04/2015 08:00)
Tena hafakely ndray iny a! mahatapa-tsinay! ha!ha!ha!ha!ha!
Arofanina ( 26/04/2015 14:52)
iny indray no tsy hitako! tena lanaky ny hehy aho...
vololona208 ( 15/05/2015 12:13)
hafa ko iny. f'anga d tsisy zaridaina. ary aiza le tonokalo "efa lasa ny omaly" e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113