MITOMANIA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITOMANIA!
(setrin'ilay tonononkalon'i Rado "Mitsikia"!)
Mitsiky, ianao, mihomehy
Endrey,
ravoravo sy mirana tarehy,
faly be tokoa
ka maneho ny fihetseham-po...
Fa nony injay, ianao, seranin’ny manjo
na malahelo koa,
Ny ranomasonao kobonina tsy hirotsaka,
fihinina tsy hitosaka
giazana ao anaty
na mandifotra tsy tanty…
Lazaiko anao, anefa, fa izy io hanjary
poizi-mankarary,
raha toa mandavan-taona
Atelina any foana;
Diniho ange, ny zaza rehefa mitomany:
Mijafajafa ery, ankona aok’izany
fa rehefa injay mangina, afaka ny fony,
dia indro resin-tory, milamina sy tony!
Rehefa taitra avy eo
ilay tsy manan-tsiny
Adinony hatreo
ny ranomasony iny…
Tsy hanolatra mihitsy
ny fery ‘zay afenina,
koa raha mbola misy
ny fara-alanenina:
“Ny ranomaso hanasitrana
Ny fo ‘zay nolefoniny,
‘lay felam-bolana nihintsana
Taorian’ny famololony,”
Dia manaràna fo
Misentoa, mitomania,
avy eo sitraho "‘lay zo
nomena anao: Mitsikia!”
Hjravs
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina - fiainana
1536 2
Mpakafy: Mahfaly rt - ora
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147