POLITIKAN'ALIKA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Pôlitikan'Alika!
Napoaka 'zay azo napoaka
satria kilalao ny aim-bahoaka;
milalao indray, manko, ry alika,
ry alika gasy tsy mahay pôlitika,
ka vahoaka nitsikasikasina
no narefony teo Mahamasina,
...dia vovoan'amboa ihany koa
no miainga avy ery sy avy eroa,
fa toa vitan-kabary aman-teny
ny zava-mitranga toy ireny;
vitan'ny kivangivangy:
hafatrafatra hoe mampamangy
fa efa mandeha be ny ankety,
ary tena efa manao ny mety
ry miaramila, zandary, pôlisy,
fa ny vokatra, aloha, mbola tsisy!
...vita iny ny "vainty sisy",
fa amin'ny herin-taona manao misimisy e!
hjravs
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fiaraha-monina
1297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165