TRANGAM-PIAINANA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sôva kely momba ny "koveta", (mifono anatra)
Ny lohako sola;
Ny zanako sivy;
Ny fitadiavam-bola;
i Rasoamarikivy
tsy nisy tsaroako
fa ny masaka an-dohako
dia hividy "koveta"
amin'i Boziboleta.
Ny "kovetan'i Bozy" manko kanto tokoa
ka mahate-hamerina hiteny in-droa
hoe "koveta-kovetan'
i Boziboleta".
Ny "kovetan'i Bozy" dia samihafa vidy,
k'ireo mpanjifa no avelany hifidy.
'Lay ataony eo ambany
dia tsara aok'izany
ny vidiny, anefa, dia eo ho eo ihany;
'Lay ataony eny ambony dia mahafapo,
fa tsy vita sinoa.
Raha ny vidiny aloha
lafolafo kokoa.
Omaly aho izao vao nahazo karama,
nanao praograma
ho any Tsaralalàna.
Tsy hivanga koveta amin'iretsy karana
fa hanjifa "koveta"
amin'i Boziboleta.
Novidiako daholo ny ambony sy ambany,
ka faly aok'izany
aho rehefa avy any.
Tsy kamokamo
no sady tsy mamo
nandeha nody any an-trano.
Vao tonga aho, anefa, dia notsenain'angano
fa voatondraka ranon'
'ny "kovetabe" an-dRasoamarikivy.
Hotsaka mihitsy aho ka kivy dia kivy....
...Dia nentiko izy ho any an-dakozia
mba hampianariko hanasa vilia
amin'ireto "kovetan'
i Boziboleta".
Hay 'ty Rasoa 'ty manafin-talenta
fa raha koso-bilany
tsy hilany an'izany
fa ny an'azy sasàny
ao anaty "koveta" - "kovetany" ihany -
ary ataony milamina:
kosehany kely dia kobakobanina
ka tsisy hokianina,
toa sasa vilian'ireo matihanina
mahamanimanina
hihinanan-kanina.
mbola arahiny antsa toa mitsamintsamina
ka rarak'ivy
aho Rasoamarikivy a!
Vita tompoko!
----------------
Anatra: Ny zaza fito tsy mahafehy trano, saingy:
Raha hainao ny mikolo
tsy hamela ho bobongolo,
fa hampanjary
ho lavorary
ilay fitia
dia ho very dia
'nareo mivady
ka tsy hisy andeha hitady
olon-kafa
hiarahana mitafa.
hjravs
--------
Rohy:
2101 1
Mpakafy: fenohasimpitia
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 26/10/2016 03:11)
Tena mahery nareo rà amorona atsikana a! hahaha! (kovetavetan'i Boziboleta, mampanetsetra)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141