Mijotra makaiza, (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mizotra makaiza,

Mizotra makaiza ty foko,
Ny rehetra jereko toa mamin'ny foko,
Dia ilay fitiavana mirona,
Miainga tsimoramora.

Mizotra makaiza kay ireny,
Fa toa lasa tsy an-tery,
Tsy mionona ho irery,
Fa mitady fangalam-piery.

Mizotra makaiza re!
Fa dia lasalasa e!
Tsy mitana izay efa ananana,
Fa mahita foana ny tsy isaharana.

Mizotra makaiza foana,
No tsy tamana ny eo anoloana?
Izay tazana toa iantefana,
Ka tiana hantsoina hoe: "Malala".

(,Mizotra makaiza, ILAY FANAMBY, desambre 2023)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
725 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 18/12/2023 11:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113