Niandry foana aho. (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niandry foana aho,

Taona maro lasa izay,
Niandry teto foana aho,
Nanantena hoavy mamy
Nefa aizim-pito no namangy ny ankany .

Teto foana aho niandry,
Na ny voary aza nanome tsiny,
"Fa inona loatra, ry Ratanalahy?"
Hoy izy ireo naneso ahy.

Teto ihany aho no nitazana,
Izay mba anjara sahaza ,
Namoy fotoana maro nifanesy,
Izay nasaiko anefa tsy mba nety.

Teto foana aho no nitily,
Izay nandalo anefa nivily,
Tsy haiko izay antony,
Fa tsy mba nisy na iray akory nanala ny satrony.

Mbola niandry ihany aho, fandrao...!
Hifanena amin'ny tsara kalitao,
Izay tia mantsy hono mahay miandry,
Endrey tokoa fa nisy iray niantsampy teny an-tsandry.


(Ilay FANAMBY,Niandry foana,oct 2023)
--------
Rohy:
546 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 20/05/2025 19:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012