Ny Tenindrazako (Jean NARIVONY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Lay Teny, teny mamiko,
Dia ahy tsy nindramiko,
Nanaovana ny lelako
Ka ahy, tsy havelako.
'Lay teny sarobidiko
Mitana ny safidiko
Dia tolotry ny Lanitra,
Avy amin'Andriamanitra.

Fiteny ahombiazako
'Lay Teny soan'ny razako;
Nandamina ny fiainako,
Namboatra ny fisainako.
Fa Teny firesahako
Sy Teny fivavahako,
Ka io no anatonako
Ny Tompo fiononako.

Vao raisiko ny peniko
Dia indro fa ny Teniko
No avy hamborahako
Ny vetson'ny fanahiko.
Ny teny ho fitandroko
Manapitra ny androko,
Tsy miova ilay voalazako:
Ny Teny...Tenin-drazako.

Ny teny no fitandroko
Manapitra ny androko,
Tsy miova ilay voalazako:
Ny teny...Tenin-drazako.
'Lay Teny mampitambatra
Ho iray ny Nosy Sambatra
Sy teny itenenany
Ny FAHALEOVANTENANY.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
7756 7
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jean NARIVONY
Nampiditra : jdd.rakotozafy
Daty : 03/06/2016 16:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144