VETSO-PON-JAZALAHY (Laingo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ‘lay raozy tsara indrindra tena endriky ny sahaManim-pofona aok’izany, manintona maha te hizaha
Tsiriritin-dolo maro isan’andro isan’andro
Na maraina vao mifoha na milentika masoandro
Lolo toa mety hitsahatra ny anatona anao
Noho ilay hamamiana izay mitoetra aminao
Satriny hijanona eo anilanao mandrakariva
Tsy mahatsiaro ny fodiana sy ny andro efa hariva
‘Lay felanao maro loko, mena, fotsy, mavokely
Endriky ny zava-bohary hifandromban’ny tantely
Satria mitondra hafaliana eo anivon’ny tontolo
Sy maharavo fo sy saina, ny fanahy manontolo
Ny hakantonao mantsy mandrisika azy ireo hatrany
Tsy hitady voninkazo hafa afa tsy raozy ihany
Ao ny dalia sy pika, voninavoko sy ny maro
Fa ny raozy be mpitia sady sarotra atakalo
Raha dinihina ambony ka jerena hatrany ambany
Dia tsisy toa anao ry raozy ny voninkazo eto an-tany
Na atao anaty vazy, n’ajanona an-jaridaina
Dia mitondra soa hatrany ary koa mamelon’aina
Ianao ry tovovavy tiako no hohariko amin’izany
Ianao ‘lay raozy nofidiako mba ho ravaky ny akany
Izaho no anisan’ireo lolo izay mitsiriritra fatratra
Ny endrikao sy hakantonao azo atao hoe tonga lafatra
Izaho ilay olona tsy tia afa tsy ianao irery ihany
Maniry anao ho tokantrano mandrapialako eto an-tany
Ianao no faniriako, ianao no tadiaviko
Ianao irery ihany no anankinako ny hoaviko
Dia izay ny vetso-poko tsy mba zakako nafenina
Ilako valiny aminao fa aza odianao marenina
Vetso-po tsy azo tà nana ty vetso-pon-jazalahy
Ka valio mahafa-po sao handratra ny fanahy
Laingo
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
Zozoro
Hevitra mandeha
Rapha
(
19/10/2009 07:33)
ARY AIZA NY VETSOM-PON-JAZALAHY?????