Raozin'ny fitia (lain's rakoto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry raozyFikolo an jaridaina
Mampifaly izany saina
Rehefa izaho mifoha maraina
Raozy kely tsy mba foiko
Tsy avelako hiova loko
Maharavoravo ny foko
Mampisinda ny toloko
Raozy kely iray marevaka
Mampahery tsy ho reraka
Mampirisika ahy tsy hifezaka
Raozin'ny fanantenako
Mampisinda ny adalako
Raozy raozy mena kely
Tsara loko tsara jery
Voninkazo tena tiako
Tokana no safidiako
Raozy mena kely
Loko tokana tsy miely
Loko maro mpankafy
Loko tokana ho doria
Ilay raozin'ny fitia
Lain's rakotoasimbola
Raozin'ny fitia
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana