Tsy antso angamba! (lain's rakoto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofiko hatrizayMba ho olona hahay
Zavatra anakiray
Nefa indrisy tsy mlay
Ireo vita hatramin'izay
Redirediko efa ela
Ny mba ho lasa pastora
Nefa toa nivadika ny lera
Nieritreratra ho mopera
Niova hatramin'ny sera
Nivadibad'ela
Tsy nahavita afera
Indrisy re ry faniriako
Faniriana ihany izany
Fa niova indray tiako
Niova hafahafa
Dia nivadika rasa
Lasalasa nitady asa
Ndeha hiova nofy hafa
Satria tsy tafa ireo kinasa
Ireo no mba finidiko
Dia nijanona ho tokam-po
Tsy mitia olona akiroa
Zay no hita fa mahasoa
Sady eken'ny Ray tsy toha
Nofinofy ihany ny ahy
Nofinofy tsy tanteraka
Dia aleoko manao voady
Hamelona ireo ho ateraka
Nofinofy tato an'aty
Miredareda be tsy maty
Nefa nofy tsy tanteraka
Tsy aleoko ve mipetraka
Faniriana tsy levona
Aleoko adaboka higefona
Tsy ho simba ho arafesina
Tsy ranitiko toy lefona
Ho koboniko ato anaty
Ho ahy irery tsy ho faty
Faniriana ihany ny ahy
Tsy mba antso avy aminy Ray
Toa nofinofy tsy tanteraka
Ny hametra tanana amin'ireo reraka
Dia navaliko ato am poko
lay nofy sy toloko
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
Naje
(
01/10/2016 07:44)
Faniriana ihany faniriana hatrany faniriana tsy tanteraka aleo aloha apetraka