Matsatso (Lee Andrianalaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MatsatsoRaha ilay tiana sy mamy
No nandao ka tsy hita
Bongon'ny sento tomany
Tsisy zavatra ho vita
Ny fo satrotra ampingina
Ny saina tsy mety ho tony
Manantena fona hofihinina
Mitady tanana hampitony
Ny andro lasa mitamberina
Ireo sampanana nodiavina
Tsy ho voafafa na kosehina
Manantona fona na nolavina
Ny maso bongon' tomany
Ny tava toa feno ranomaso
Mitady azy hatrany hatrany
Fa ity fiainana matsatso...
Lee Andrianalaina
04jolay 2021
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee AndrianalainaNampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 10:33