Raha embona (Lova Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha embona hitondra aretim-po,
Sanatria hoe hankarary ihany koa,
Dia aleoko manadino ilay fitia
Mba tsy ho solafaka amin-tany hikodia.

Raha embona amonoako 'zato tenako
Mba amonjeko ireo toeram-piafenako
Dia aleoko indray midify lavitra any
Na ho tonga hatrany am-paran'ito tany.

Raha embona ho aretina mikiky
Hampisinda ireo mba sombitsombin-tsiky
Dia aleoko manadino anao ry tiako
Raha izay no loharanom-pifaliako.

27 avril 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
909 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7
Daty : 13/05/2017 18:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139