Tsy hitako eto intsony (Lova Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny volana iny ihany no hany sisa mba ho namako,
Fa 'lay malalako tsy foiko fitosiako mba niondanako
Tsy hitako eto intsony fa nidify lavitra any
Ka nampahory 'zato foko,nampirotsaka tomany.

Ireo kintana eny ambony no hany sisa mba sakaizako,
Toa ali-maizina mikitroka ny fiainana mpitaizako,
Fa ilay malalako iny toa tsy ho hitako eto intsony,
Ary elatra izy angamba ka nisidina any ambony?

'Lay tara-pahazavana nanalavitra ahy hatrany,
Ka ny haizina no sisa mba nandrakotra ny tany,
Asa izay ilay tsy foiko raha mba vonton'alahelo,
Toa ahy izay mametsovetso am-panahy mamelovelo.

Feno loatra ny alaheloko ka mila tsy ho zakako,
Toa mbola sarotra ny hitsabo sy hahasitrana ny ratrako,
Mba rahoviana vao hipoitra ilay masoandron'ito fiainako,
Mety hisy ihany ve ny olona afaka hitarainako?

20 Avril 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1156 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova Ny Aina
Nampiditra : LNA7
Daty : 13/05/2017 18:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099