Halatra (Lova)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô ry voankazo mamiko, maniry anaty sahan'olonaMitsiriritra anao ny foko, mitia anao tsy mety mionona
Ny hanitrao manentoento, rehefa injay tondrahin'erika
Mihantsihantsy anay mpandalo, ka fady anay ny tsy hiherika.
Ô ry voankazo mamiko, nefa hazo misy tompony
Tiako hafindra any amiko, hongotako hatrany ampotony
Nandramako ianao omaly, ny tsironao mahalasa adala
Nangalariko tsinahy,... na voankazo voarara
Ô ry voankazo mamiko, voankazo anaty fefy
Mangetaheta anao ny foko, mandraingiraingy re fa resy
Ny voninao na lohataona, misavovona ny felany
Ny foko anefa moa mba ho aiza?...mitelindrora ety ivelany.
Ô ry voankazo "laniko", na dia voankazon' olona
Te handresy anao ny foko, ...te ho anao, no te hionona
Nohaniko tsy niahiahy, noheveriko fa màna,
Fadindrazana hono kay, voankazo voarara...
Ô ry voankazo laniko, nefa dia voankazon' olona...
Mbola (Mars 2003)
--------
Rohy:
Hevitra mandeha
hery
(
09/02/2006 12:32)
Ny voankazo eny antsahan'olona toa mamy kokoa noho ny voankazo ao amin'ny sahan'ny tena
bichette
(
15/02/2006 06:41)
oadray marina !!!!! zany ve ry hery ? tsara aloha lay tononkalo e
hery
(
23/02/2006 17:18)
bichette> ho hitanao izany rehefa mamboly ianao 😊
raozigasy
(
24/02/2006 12:18)
VOANKAZO AN-TSAHAN’OLONA
Voankazo an-tsahan’olona
Voankazo voarara
Tiana hatao tsikoninkonina
Mahate-hikarakara
Voankazo tsara fefy
Voankazo tsara vala
Toa manosika manesy
Mahate-haka sy hangala
Voankazo misy tompony
Voankazo tsara ambina
Nefa manantena potiny
Sady manantena ambiny
Ekeko maro ny voankazo
Misy tsiro isan-karazany
Kanefa ianao mihazohazo
Io ihany no tianao hotazana
Ekeko misy ny azo asolo
Izay tsirony tadiavinao
F’io ny anao no ilay tontolo
Tena efa andrasanao
Ka mahareta miandrasa
Izay no hafatro ho anao
Niandry koa aho fa tsy lasa
Raha teo amin’ny toeranao
Voankazo an-tsahan’olona
Voankazo voarara
Tiana hatao tsikoninkonina
Mahate-hikarakara
Voankazo tsara fefy
Voankazo tsara vala
Toa manosika manesy
Mahate-haka sy hangala
Voankazo misy tompony
Voankazo tsara ambina
Nefa manantena potiny
Sady manantena ambiny
Ekeko maro ny voankazo
Misy tsiro isan-karazany
Kanefa ianao mihazohazo
Io ihany no tianao hotazana
Ekeko misy ny azo asolo
Izay tsirony tadiavinao
F’io ny anao no ilay tontolo
Tena efa andrasanao
Ka mahareta miandrasa
Izay no hafatro ho anao
Niandry koa aho fa tsy lasa
Raha teo amin’ny toeranao
endrika01
(
19/08/2009 07:32)
Lalina ilay fitiavana an,ny any hafa foana no heverina ho mamy,ny any tena anefa mety ho mamy lavitra raha nampiana fikolokoloana! 😉
Mysento
(
19/08/2009 13:21)
Samy manana ny tiany io.
rhina
(
24/08/2009 11:31)
nareo kosa zany d sahy mangalatra e!!!
fahotana ne ny mangalatra e!!!!
hiiii!!!
fa tsara le tonokalo kan mahereza e!!!
fahotana ne ny mangalatra e!!!!
hiiii!!!
fa tsara le tonokalo kan mahereza e!!!