Ampidiro aloha ny tenimiafina
sarotra ny mifidy (masofahatelo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fo no tompon’ ny foKa anjaranao no manontany
Raha tena ananany tokoa satria
Efa milalao azy ny eran-tany.
Ananako izy ‘nefa
Isanandro aho no misaina
Hoe: @ iza aho no hiantefa
Sao ho lasa karakaina!?!
Ty foko manirery
Nefa be mpitsriritra
Raha ho etsy toa ho very
Ka ny tsara koa tsy ho ritr’e!
Ao ny mena; ao ny manga
Samy manana ny hakantony
Ao ny jejo ao ny janga
Fa hafa ihany izany maontina!
--------
Rohy:
