NAMANA (Hajanirina Mahavaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho sy ianao toy ny rano sy vary
Na antsaha na an-tanàna tsy nifanary
Miara-dàlana eny foana hatrany
Na amin'ny tsiky na koa tomany

Izaho sy ianao toy ny mpiray tampo
Mifampizara izay rehetra manjo
Mifanohana amin'ny lafiny rehetra
Amin'ny fo madio tsy misy fepetra

Sambatra aho manana anao
Tena namana tsy nandao
Na tamin'ny mora na sarotra
Tsy nila sitraka na tombom-barotra

Hivavaka aho mba ho hambinina ianao
Ho tahiana mihaotra amin'izay rehetra hatao
Tongava soa amin'ny tanjona iriana
Ka ny ranomaso sy alahelo hody fifaliana

Hajanirina Mahavaly ( 03/12/2024)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
91 1
Mpakafy: Ma F.M
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hajanirina Mahavaly
Nampiditra : MHJB
Daty : 03/12/2024 15:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141