MAHEREZA LESY ZANDRY (Nic Coper Ofisialy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahereza lesy zandry, fa ny fiainana tsy mora,Na tena efa kivy, dia mijoroa moramora,
Satria tsy misy na dia iray, no hahatsapa izay mahazo,
Fa ny kiana sy latsa indray aza, hiainana isanandro.
Mahereza lesy zandry, fa na hiady mafy ialahy,
Hiezaka hiroso, mba hanakatra ny tanjona,
Dia tsimaintsy ho hisy , ireo mpisompatra an’ialahy,
Hamikitra , tsy hamotsotra, fa voa may aza hihazona,
Mahereza lesy zandry, fa mafy ny mahazo,
Marary ao anaty, mampandraiky voan’ny tazo,
Ny ampelatanana tsy misy, ny hamenoana azy: faona,
Zay rehetra mba kasaina, toa mandamoka foana.
Ra mitaraina ialahy, toa tsy mba misy mino,
Fa lazaina mampiresaka, sy modimody adala,
Rehefa ilaina ialahy, tena tsy mba adino,
Fa rehefa ialahy no mila, toa tsisy hita izato akama.
Mahereza lesy zandry, fa ialahy irery no mahatsapa,
Ny ratra mafy ; faoriana, ao ampon-ialahy,
Satria ilay tsiky ety ivelany, no mba hany, hitan’ny hafa,
Ka raha sanatria mitroatra , dia tsimaintsy diso ialahy,
Mahereza lesy zandry, fa efa kely sisa,
Na inona itranga, io indray tsimaintsy ho vita,
Rehefa tonga ilay fotoana, tsimaintsy haneno ny ora farany,
Ka rehefa tsy eo intsony ela, dia izay no "tapitra" ny anarany,
Handeha ny ferapara, voninkazo, sy tomany,
Vita ny aritory, sovenira sy ohatr’izany….
Dia ho atao ny fandavahana , ka ialahy no asitrika any,
Mody asina teny kely, ary atototra, ny tany.
Mahereza lesy zandry, fa rehefa tonga izay,
Dia vita hatreo ny ady, sy ny fahorian’ialahy,
Ny halaelo, fijalina, fahantrana ; aoka izay,
Tapitra hatreo, satria tantara sisa ialahy.
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
