Gisa mangala-ketsa (Nosy Malala)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gisa mangala-ketsa,

Mahatalanjona ireto gisa,
Mangalatra izy dia mikikika.
Voahosohoso , rava ny ketsa,
Ny gisa avo vava, misetrasetra.

'ngaha izy mionona, tonga ny ampitso,
Misekoseko, tsy mahalala diso.
Mitazatazana izay ho angalarina,
Vonona hatrany ny angady sy harona.

Raha varimbariana ary ny tomponketsa,
Dia ringana avokoa ny voly rehetra.
Ho faty ny anohanana ny fianakaviana,
Tsy aleo miara-miambina miray hina ?

Nosy Malala
Aoรปt 2024
--------
Rohy:
735 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 02/09/2024 06:04)
Mankasitraka an'i Hery niantsa ! Bravo foana fa mahay miantsa be daholo nareo ๐Ÿ‘๐Ÿฝ๐Ÿ‘๐Ÿฝ๐Ÿ‘๐Ÿฝ
hery ( 05/09/2024 20:39)
Mahafinaritra koa ilay izy fa dia misaotra hatrany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 26/08/2024 08:37
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127