Mandrosoa avy hatrany, (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandrosoa avy hatrany,

Tsy ho avy aho hitsikera,
Hisalovana inspektera.
Fa manimanina havatiana,
Na mbola lavitra fodiana.

Mifanontany vaovao,
Ny mifosa aloha tsy atao,
Mizara ireo tsy ambarantelo.
Arahan'kehy sy alahelo.

Tapaka sy namana,
Indro mifandona tanana,
Araham-pitiavana madio,
Nalaky hariva Izato anio.

Rehefa hody amin'izay,
Nanomboka nangahiahy,
Ny fotoana niarahana kosa,
Nitondra hery miavosa.

Fiaraha-monina namony,
Mandrapihaona indray izany,
Aza mandondona intsony,
Fa madrosoa avy hatrany.

Nosy Malalala
Novambra 2022
--------
Rohy:
819 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 03/01/2023 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124