Ny alaheloko anao (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alaheloko anao,

Ny aleheloko anao
No nanosika ahy hihira
Hira mitsoka rivo-bao,
Ho tantara fa tsy arira.

Ny alaheloko anao,
No nanosika ahy hikalo,
Ilay hirantsika efa fanao,
Zovy ny hanjary fahavalo.

Ny alaheloko anao koa,
No nahatonga ahy indray,
Hikatsaka izay mahasoa,
Hitraka ndrao hangaihay.

Mbola lay alaheloko ihany,
No irariako soa ho anao,
Anio ny foko no tomany,
F’izay tsy tia aleo mandao.

Ireny alahelo rehetr’ ireny,
Rehefa ho banjinina any aoriana,
Dia namolavola, nampahery,
Fa avy eo niofo ho fifaliana.

Mey 2026
--------
Rohy:
15 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 05/05/2026 07:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0148