Tolona (Nosy Malala)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tolona,

Efa ela niaritra ka tapa-kevitra ihany,
Hitaky ireo zo fototra latsaka ambany,
Hampanjaka ny rariny amin’ny Firenena,
Hamerina ny hasin’ny Fahaleovantena.

Namaky lay ary ireo tanora tena sahy,
Nijoro avokoa na vehivavy io na lehilahy,
Tao ny nahazo takaitra, namoy aina !
Fa nandroso hatrany noho ny herintsaina.

Nahita izany ary ireo sahisahy,( ka)
Nanatevin-daharana velom-panahy,
Vonona hiatrika herim-pamoretana,
Rafi-baovao no tiana ho rafetina.

Niomana koa sy te handray anjara,
Ireo izay maniry te hanova tantara,
Taratra teny ny fivondronan’ny hery,
Fahendrena malagasy mbola tsy very.

Ampy izay ny fanohanana olona,
Ho an’ny tarigetra izao ny tolona.
Aoka izay ilay mangina tsy miteny,
Rehefa ny marina no osihoseny...

Ny zon’ny tomponandraikitra ve voafetra?
Mitazana ireo horohoro sy ireo herisetra,
Ao ve (ia)nareo, mbola azo itokisana,
Sa voageja, miandry ny anjara sy vitana ?

Farany koa nefa tena manandanja,
Ireo mpampaneno lakolosy nalaza,
Izay sisa tavela tsy lasa amponja,
Nitohy nijoro, tsy natahotr’onja.

Nosy Malala
Oktobra 2025
--------
Rohy:
234 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nosy Malala
Nampiditra : TononkaloNM
Daty : 04/10/2025 09:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0126