T a p a k a! (Ny Ami)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tapaka !
Vita atreto ny aminay notapahako ny tady
Isan'andro aho nisasatra niteny sy niangavy
Nitanondrika aho nitia mba hiantso azy hiverina
Nihodonany ny foko ka tena afa-nenina

Tofoka tateraka tsy hitazona azy indray
Tena leo ny foko ka ho vita ny aminay
Hotapenako ny sofiko raha toa izy mbola hiantso
Iafina aho hiery ary hanangana hatsambato!

Ho tsaroako izay efa vita , hitodihako ny lasa
Hitapifiako mba tsy ho hita ny zava-boakasa
Atreto aloha ny fetra de eto koa ny farany
Hotapaka ny dia hiala aho.... tsy ho tanany!

De tsy maintsy aho handao,na dia hoe tsy fidiny aza,
hiezaka hangina mba hiala tabataba
Hiezaka hitony hivavaka ho azy
Hanapitsofin-dava mba tsy hiaino ireo ho raby!

De veloma ianao rahavako ankafizo izany tina
Fa ny foko sy ny vavako hisaona, fahoriana
Atreto ny amin-tsika e!Hiezaka aho hiataka
Ilay fitiavantsika...... efa rotika sy tapaka!

Ny Ami
--------
Rohy:
1366 1
Mpakafy: NYAMI
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Ami
Nampiditra : NYAMI
Daty : 20/07/2015 15:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144