Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay fitiavako (ny eja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny ekeko tsy aritro Indrisy tsy voakasiko
Ny lapan'ny fonao
Ny diantsika anefa miaraka
Mifanjoy malai-misaraka?
Tena amin'ny foko tokoa
Te hanoroka anao aho moa
Mandinika anao,
Mindrandra mafy anao
Kanefa hatramin'izao
Mangahiahy anie aho !
Rotidrotika ny foko
Raha mba fantatrao tokoa
Ny fotoana dia mandalo
Tsy hiandry antsika roa .
Mino aho any aoriana ahy
Hahay mihonona ihany .
Ny Eja (28 juin 2007)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
