Mahandrása mihitsy (NY HARIAINA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAHANDRÁSA MIHITSY

Tsaboy tsara alo(ha),
Andraso indray hato(y)
Sitrano ho afa-pery
Aleo haka aina kely
Lay fo mbola maratra,
Fa aza omena ny hafa.
Aleo mihitsy hiempo
Ho tena afa-tsento
Sy koa ho afa-jaly,
Lay fo mbola marary.
Avelao f´aza terena,
Raha toa mbola jambena
Handrao mantsy lahy
K´ho tototr´ahiahy
Raha volenao any an-kafa.
Sanatria aza hataony,
Ho zava-pilalaony
Vao ho tohina indray,
Lay fery mbola mamay
K´hiverina hitoreo
Izay vao...
Tsy hitia intsony avy eo

NY HARIAINA
03 Janvier 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1175 0
Hevitra mandeha
ntk ( 15/03/2012 05:14)
Tsy ratsy
nyhariaina ( 15/03/2012 11:00)
Misaotra e
rainstorm ( 20/03/2012 10:51)
manja e!
nyhariaina ( 23/03/2012 11:40)
Siora e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HARIAINA
Nampiditra : nyhariaina
Daty : 14/03/2012 10:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097