Ampidiro aloha ny tenimiafina
DITRA (Ny R. FIDIMANANTSOA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba satriko hifampizaranany tsikin’ny fo te hitroatra,
fa misy fitia andrarana
kanefa mba mamiko loatra
Ny refiny tsy haiko fipaka:
Toa hila ho mandrakizay,
Fa miezaka hahafehy ny laka,
hanakatra olon-tsy hay!
D’injany fa manentohento
Ny hanitra aeliny hifafy
Ka zariny ovana ny sento
sy irony alaheloko mafy;
Dia sitrako hifampizarana
‘lay tsiky mitroatran’ny fo,
handingam-pitia andrarana
fa mamiko!... Marina moa!
Ny R. FIDIMANANTSOA
--------
Rohy:
