EMBONA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA

Lasalasa izany saina,
Mijery ny masoandro dify
Inona no ho entin’ny maraina
EMBONA taraina sa tsiky

Narindriko ny varavarana
Fa ny saiko lasa ihany
Indro volana nanarangarana
No namporisika avy hatrany
Handefa EMBONA sy vetso
Hahatsiaro ny fahiny
Lavitry ny sento
Nanjakan’ny fifaliana
Teo anivon’ny Akany
Nisy an’i Dada sy i Neny
Ary i zoky, zandry tiana
Nilaozana avokoa ireny

Saingy handranto fianarana
No fototr’izao fisarahana
Tsy ho ela, ho avy ny fotoana
Hifankahita indray, hihaona.

PETAKASOA (faha-15 mey 2010)
--------
Rohy:
1612 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097