FITENY MAMY FAHINY (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITENY MAMY FAHINY

Aleo very tsikalakalam-bola
Toy izay very tsikalakalam-pihavanana
FITENY noraisina ho fahagola sy tola
Tsy ampiasaina intsony, nofohanana
Fa ny vola izao hono no maha-rangahy
Tsy mikonty intsony ny Fanahy
Izay nolazaina fa maha-olona
Ka ny manana miavona, miolonolona

Trano atsimo sy avaratra
Izay tsy mahalen-kialofana
FITENY tsy hita intsony taratra
Eo amin’ny fiaraha-monina
Fa dia toa ranon’Ikopa
Ny fiainan’olona rehefa misosa
Ka tonga namana vao mavomavo
Nefa dia samy voaharin’Ny Avo

Manaova soroka miara-milanja
Ary tongotra miara-mamindra
FITENY fahiny nahazo lanja
Saingy ankehitriny hafa no ahindra
“Tiavo ny tenanao, mifalia avanja”
Fa izany no tsara indrindra
Hanehoana ny maha-ambony saranga
Sy ny fananana fiaina-mirindra

Indrisy ry Taranaka taty aoriana
Nahoana ireo FITENY MAMY ireo no nariana?
Tsarovy fa "Ny firaisan-kina no hery,
Ka izay misaraka very "
Mivadibadika ange ny fiainana
Ny fahafaham-ponao anio
Ampitso mety ho fitarainana
Ka ny fanao tsy mety ahitsio


PETAKASOA (faha-07 jona 2010)
--------
Rohy:
1720 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141