HATRAIZA NO FETRA (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HATRAIZA NO FETRA ?

Hatraiza no fetran’ ny fitiavan-tena?
Fa zon’olona maro no hosihosena
Karama vary masaka no mba homena
Nefa ny eso sy latsa atao sesehena
Ny tanjona moa dia fanangonan-karena

Hatraiza no fetran’ny fitiavam-boninahitra?
Manao fihetsika miedina sy fitafy miraratra
Dia mihevi-tena ho tsara atao fitaratra.
Ny hafa ambara ho fako aman’ahitra
Sy hoe : mandrimandry toa omby ao ampahitra

Hatraiza no fetran’ny fialonana
Ny namana tafita indro niavonana
Mamangy lazaina fa mitonatonana
Itadiavana hevitra izay hifandonana
Hampiadina hatramin’ny iray ankohonana

Hatraiza no fetran’ny faharantsian-toetra?
Tsikeraina daholo ny zava-drehetra
Vaovao mahafaly atao mampanjoretra
Ny fitiavana nosoloana herisetra
Fampahoriana no tonga tarigetra

PETAKASOA (faha-29 mey 2010)
--------
Rohy:
1846 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016