MINO AHO FA... (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MINO AHO FA…

Mino aho fa izy lasa iny,
Hahatsiaro ahy ny fony,
Fa sarotr’adinoina irony
Fiaraha-mamy tsisy tsiny

Mino aho fa izy nanaraka
Akanga iray tsara soratra
Taitran'ny ivelany ka niantoraka
Tamin'ilay olo-tsy fantatra

Mino aho fa izy lavitra any,
Hibanjina ahy ny sainy
Fa izaho mbola nolalainy
Izao izy nandao ity akany

Mino aho fa izy hiverina tsy ho ela
Noho ny valim-bavako
Hiteny : “mbola tiako ianao rahavako”
Ary “tohizantsika ireo navela”

Mino aho fa amin’izay fotoana izay
Hitobaka indray ny hafaliana
Fa tafaverin’olon-tiana
Ary tsy hisaraka intsony mandrakizay

PETAKASOA (Alarobia faha-5 mey 2010)
--------
Rohy:
1298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141