Tsy ho rava (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny fitia no miaina, mijoro tsaradia olon-droa nifanaiky fa hoe tia
tsy ho rava na hikoro fa voakarakara
hinoako fa haharitra ho doria
Na hisy fisedrana na hisy ireo olana
fa ny fitiavantsika tsy ho rava
efa tsara fototra, efa mafy fatorana
hantenaiko fa ho velona lalandava
Mandeha ny andro, mandeha koa ny fotoana
maro ny zava-niseho, tsy vitsy ny zava-nitranga
ny onjam-piainana sy ny ankaso manoloana
fa ny antsika tsy rava, vao maika mihamanja
Raha ny fitiavako izay mahery sy mafonja
nentiko nitia anao hatrizay ela izay
tsy ho ravan'izay teny iray monja
na ny vavam-bahoaka fa hitoetra mandrakizay
--------
Rohy:
