Any an-tanindrazako any (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any an-tanindrazako any !


Misy hiaka sy talaho hampitsahatra ny ady,
Misy fo midradradradra, "Miverena, Fihavanana !"
Nefa misy koa ny hambo mampihenjana ny tady
Sy fitiavana harena, hampitombo ny eo an-tanana.

Misy zaza izao kamboty, ka ny hoaviny voafia ;
Misy hatanorana koa, mandry am-parafara vato !
Misy reny resim-basy, maritioran'amboa dia ;
Misy ray mba sahy nitraka ka ny fiainany naato.

Any an-tanindrazako any, firifiry no misaona ?
Saingy izao ny fahoriany toa tandrimo filalao.
Any an-tanindrazako any, ny fahendrena endrey mimoana,
Sangy ratsin-jiolahy no manjaka hatramin'izao.

Rahoviana no hangina ny hiakam-pitiavan-tena ?
Rahoviana no hisy handre ireo vahoaka mitomany ?
Rahoviana vao hikatsaka ny tombotsoam-pirenana
Ireo nasondrotry ny vola, any an-tanindrazako any ?
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
4357 2
Hevitra mandeha
3004 ( 29/04/2009 21:44)
MIsaotra e ! Ahoana moa ilay site-nao iny fa tsy tsaroako intsony.

Fredy
pissoa ( 01/05/2009 12:30)
http://pissoa.blaogy.com - fa efa ela be aho tsy dia afaka nanova tao intsony. Na manova dia alako fa tsy arako akory ny mijery ny hevitra avelan'ny namana.
endrika01 ( 11/07/2009 06:34)
Lafatra be lay vetsonao!
endrika01 ( 11/07/2009 06:35)
Lafatra be lay vetsonao!
lolash ( 03/06/2012 07:52)
any an-tanindrazako any !

Eeeeh!!!!!!, any marina manko izy zay an !
FENOSOA2 ( 03/02/2013 10:49)
Tena tsara .matsiaro az zahay aty tany lavitra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 29/04/2009 16:02
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104