Raha Ianao (Pissoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha Ianao

Raha toa ianao ry aiko
Tsy mety hizarako
Ny rebiky ny saiko,
Sy mba ho fihantako ;

Raha toa tsy ho anao
Ity raozy nokoloiko,
Ka tsisy ho sitrakao
Na ny fijorony na loko ;

Raha toa ianao tsy sahy
Hitantana ny tanako
Na sanatria handa
Ny ho tiana sy ho namako ;

...

Moa ve mbola ho haiko
Ny hifaly indray andro ?
Moa koa mbola ilaiko
Ny hahita iry masoandro ?

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1409 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hevitra mandeha
Malalason ( 05/02/2007 08:44)
ndjiiiiii maha-te ho tia ilay izy fa mba azoko fantarina ve hoe iza ilay "Ianao"???
pissoa ( 05/02/2007 19:11)
Mankasitraka !

Aleo tsy ankitonona anarana e 😉
Malalason ( 06/02/2007 14:14)
atao par si kah
winner ( 02/10/2007 20:40)
Raha za ilay "ianao" an, de tsy ho diso ny fanantenan'ilay mpanoratra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 04/02/2007 22:01
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152