Fisarahana (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisarahana

Toa gaga ihany aho
Hoe...! fa nahoana kay?
Sa hoe ny fonao tofoka sy lao
No toa namela ahy indray

Toa lasa koa ny saiko
Fa inona no nampiova?
Toa mila anafaka ny aiko
Ilay teninao mafonja

Ekeko hoe enao nangina
Izaho koa tsy nahateny
Fa toa nivadika fahorina
Ilay fitia natao ho modely

Sa niova niaraka ny taona
Dia nivadika ho mafaitra
Ary ianao toa hoe...! HISAONA
Izaho nangina mody tsy taitra

Dia natsikiko ny molotro
Mody mirana ny endrika
Fa ilay fitia nantolotro
Efa madiva ho rendrika

Nandalo dia niserana
Toa ny aloka ihany
Ilay fitia efa noferana
Ka veloma re madama
Veloma aza tomany

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
640 1
Mpakafy: Roberto2001
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 05/09/2024 10:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0108