Ilay fitia (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
O ry malala
Mba lasa hoa ny saiko
Tsy hoe izaho no adala
Fa ianao tena lalaiko
Ary iriko mba ho anjara
Ilay tantarantsika sombin'aiko

O ry ilay olon-tiko
Izaho anie ka tia
Ary ianao ilay nofidiko
Hiara-dalana ho doria
Ary hanatontosa ireo faniriko
Hoe : ifampizara ilay fitia

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
534 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 27/08/2024 16:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129